<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hianao, ry Jehovah no
 Rainay tokoa,
 Ka manatona Anao izahay,
 Ary Jeso no Hava-malalanay
 koa.
 Dia matoky Anao ny fonay,
 Mivoria ry ondry madinika ô !
 Mba ho ao am-pisokoanio ;
 Mihainoa ny feon'ny Mpiandry
 izao
 O, faingàna, modia hianao.

[V2]
 Eny, mamy tokoa ny mihaino
 Anao
 Ry Mpamonjy mpanavotra
 Anay !
 Fa Sakaiza malala tokoa
 Hianao,
 Te hihaino Anao izahay,
 O ! andeha, rankizy madinika
 e !
 Fa miantso Jesosy erý,
 Mahafaly antsika ny teniny
 Hoe :
 « Avelao izy mba hankatý ! »

[V3]
 O ! ry Tompo tsy toha !
 Tsinjovy 'zahay,
 Fa masiaka ny lion-dozabe,
 Ka manenjika mba hahafaty
 anay
 Sy mihaza ny ain-dehibe,
 Mitsangàna, zaza
 madinika ô !
 Mandosira ny loza etý
 Manatòna an'i Jeso
 Mpamonjy izao,
 Ka modia ho an-danitra arý.</lyrics>
<title>Hianao, ry Jehovah, no Rainay tokoa FFPM773</title>
<hymn_number>773</hymn_number>
</song>